<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>42</hymn_number>
<title>Vohay ny varavaram-po FFPM42</title>
<lyrics>[V1]
 Vohay ny varavaram-po !
 Ilay Mpanjaka manan-jo,
 Mpamonjy izao tontolo izao
 No tonga hanasoa anao.

[V2]
 Ny teny fanasana atao
 Mitondra tena aim-baovao,
 Ny fahoriana manjo
 Afahan'ny famindrampo.

[V3]
 Mba mihainoa, maneke,
 Fa sambatra izay mandre,
 Ka anjakan'ny Tompo to,
 Izay feno antra, mora fo.

[V4]
 Ny andron'aina mitatao
 No mahafaly fo izao,
 Mamiratra sy manome
 Fanantenana lehibe.

[V5]
 Ny vavahady mba vohay !
 Finaritra izay mandray,
 Fa tonga ilay Mpanjaka soa
 Hanao ny asany tokoa.

[V6]
 Sokafany ny fo izao,
 Ry Jeso, mba hidiranao,
 Ny fahasoavano anie
 Hananay harena be.

[V7]
 Atolotray, ry Tompo ô !
 Mba hahatamana Anao ny fo,
 Ny famonjena vitanao
 No iankinanay izao.</lyrics>
<author>H.S. Oakley</author>
</song>